MISY MBOLA MIAFINA… - RRAG
Azo vakiana?
MISY MBOLA MIAFINA…
Fa any mbola misy, tsy hita ho faritana,
misy tsy mahalala, na dia tsara fintina,
efa voatontam-penina, tantara tsy hay vonoina,
saingy mbola indray, nandrava ny finoana.
Any misy tsy hay, tsy misy mpahalala.
Any misy tiana, tsy antsoinao malala.
Misy sarisary, tsy tianao hodoroina!
Misy tsiambaratelo, sarotra hadinoina!
Tiako holalanao, hotsapanao ny tsapako.
Tiako ho hitanao, hatramin’izay tsy hitako.
Fa any ho any koa, mba misy misitery,
milona saingy taitra, dia ‘ndrao nitondra fery.
Mijery ianao ny tsy hita, mitady ny tsy hay,
miezaka manovo, ny fahalalana anaty.
Tovanana hatrany, ny efa hatrizay,
fa hoe ny fianarana, fiaina-mandramaty!
Ny fanirian-kiroso, ho to ka hotoavina.
Hambom-po hitraotra, handresy ny tsy marina.
Nofinofy anaty, mikaro-pivoarana!
Saingy ‘lay Ray ambony, no tompom-pandaharana.
RRAG
16 Septambra 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 26/09/2020
Mpamangy : 151
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DIA HOE…RAHA AVELANAO…
ANTSA TSISY FETRA…
TSY LAVINA… KANEFA…
TOKOA MOA IZANY…
DIS-TU?
MENOMENON-TSAINA…
TAFITA NY AINA…
RAHA TSY MANDRAVA…
TODY…