MISY RAHONA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY RAHONA...
Na misy aza rahona, mandrakotr'iry lanitra,
na misy fahoriana, nandaozan'Andriamanitra,
dia hisy ao finoana, hampatsiahy ny efa nomeny,
fa izy ilay Tompo, mbola eo hijery!

Toy izany koa, ny finamanantsika,
tontolo iray mandravina, sy miezaka mampita,
fa hery iray ihany, no tosika hamaharana,
ny fihavanantsika no, porofom-pandaharana!

Na misy aza saona, sy fo resin'alahelo,
dia ny finamanantsika no, hiezaka hihelo,
hiezaka hametraka, sakana amin'ny fingana,
ny finamanantsika dia, vony tsy mety ringana!

Misy rahona eto an-tany, misy jaly ny miaina,
ny firaisankinantsika dia, avy amim-po fa tsy mba saina,
mamatotra ny dingana, tiana hotodiana,
ny finamanantsika no, tombam-binavina!
RRAG
28 Septambra 2018
--------
Rohy:
812 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209