MISY TSY MISY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY TSY MISY…!
Fahafahana hono no niadian’aina,
fa mbola tsy azo hatramin’izao!
Toa hoe fitiavana ‘lay nampitaraina,
ka dia nampanao ny tsy fanao!

Nisy ihany anefa ny saina nandinika,
fa indrisy voafetran’ny fientanam-po!
Ny feon’ny fieritreretana koa mba nibitsika,
saingy eo ihany ‘lay hamafisan-doha!

Misy fahafahana hono any ho any,
dia lasa mikaroka izany ny tena!
Nefa moa iza no tompon’izy izany,
no dia tsy afafiny ho an’ny firenena?

Tsy misy sa misy no dia mafy fo,
tsy mihaino tarainan’ny fo leo mitroatra!
Sa izy no hoe tompony nialoha,
dia isika rehetra no tsy afa-manoatra?

Misy tsy misy ny fahaleovan-tena,
fa isam-boafatotra am-ponjan’ny geja!
Mifarimbo-midaroka ny fitiavan-tena,
toa tsy irin-ko azo fa fotsiny, mamy an-dela.
RRAG
22 Nôvambra 2021
--------
Rohy:
510 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218