MITADY ANARAN-JAZA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITADY ANARAN-JAZA...
Vao nitera-bavy hono ireo mpivady, naniry dimby mafy,
dia niezaka nikaroka anarana, toa hoe atao anaran-gasy,
ka niezaka nikaroka, anarana mahasoa an'ity tolo-janahary,
nanambatra litera, nandanindany lera, hoe maninona raha i Hary?

Hary satria aina, sombiny hiaretana, hifoazana maraina.
Hary satria tonga, sady toa dongadonga, sy toa miramiran-tsaina.
Hary satria to, vavimatoa, voalohany sy zokiny,
ka ho afaka hanajary, hameha ireo zandry, 'zay andriny sy ho tokony.

Sa kosa hoe i Bako, rafitra mamatotra, fitia tsy hizarazara,
zazavavy hamehy, ny fitiavana madio, ho paradisa tsara,
fefin'ny fiainana, hahafahana mibanjina, ny hoavy holalovana,
valan’ny fanaperana, afaka hitahiry, ny ivom-pahatsiarovana.

Nefa hoy rangahy, toa mba tiako koa, izany hoe Mioty,
anarana miavaka, manana ny anjarany, anaty rotsirotsy.
Mioty izay nafafy, mitango izay nandreraka, nisasarany ela,
hioty fahasambarana, hery hahafaha-mitraka, raha sendra mianjera.

Fa koa anie tsy ratsy e! Raha toa ka i Kanto, no hosafidiana!
Meva ery mantsy, ny endriny sariaka, satria koa nirina,
kanto sy miavaka anivon-javaboary, maro tsy hita hisaina,
kanto sady meva, vonin-draozy soa, izato sombin'ny aina.
RRAG
02 Febroary 2018
--------
Rohy:
2286 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208