MITADY ANARAN-JAZA... (FIZARANA FAHAROA) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITADY ANARAN-JAZA... (FIZARANA FAHAROA)
Toa hoe hitera-dahy hono, ireo mpivady atsy atsimo o!
Efa tsy nanantena, no sady toa tsy nino,
fa efa nahazoazo taona, ireto izy mivady.
Ka nihevitra mihitsy fa, hoe momba sahady.

Dia ‘njay nifampidinika nitaditady anarana,
nanoko ireo litera, nandrafi-tsora-tanana.
Nifanaiky teny, fa atao anaran-Gasy,
ka avy dia nanoratra, tamin-taratasy!

Nalaina ny litera lohan’ny abidy, ka nikarohan-tohiny!
“Aro” no voarafitra satria vonim-pitia, ilay tsy misy solony!
Ka ho aron’ny fitiavana, rindrin-tokantrano!
Anaka mandravina, sy handrava irony angano!

Tsy aleo atao hoe “Antso” hoy ‘ty Ramatoa!
Satria tokoa malala a! Io no antsom-po!
Antso hampitamberina, ‘lay tsiky nampiray!
Antso hamatorana, ny voady mandrakizay!

Tiako koa ry lala, raha toa ka hoe mba “Avotra”!
Satria tolo-po, niainga avy ilavitra!
Nanavotra ny akany, tsy ho ravan’ny alahelo!
Nanilika ‘reo sedra, ninia nihelohelo!

Ohatra ny toa tsy ratsy, izany hoe “Andry”!
Fahasoavambe, nahatonga ny fo hahandry!
Sady andry azo iankinana, satria ny tena osa!
Andry hifaharan’ireo ady izay miavosa!
RRAG
15 Janoary 2020
--------
Rohy:
270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207