MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAFITO) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAFITO)
Rojo…! Fatoram-by mamatotra, aina amin’ny aina.
Isan’ny arofanina, ho an’ny sombin’ny aina.
Foto-mampiray, ny hevi-tsy mitovy.
Tetika mamaritra, irin’ny tena ho tody.

Sahoby…! Kilalao nandrafitra, ny ivom-pihavanana.
Misarisarin’endrika, ho fifandraisan-tanana.
Miary fifaliana, toa ho hila tsy homby tratra.
Ka zary toa fotoana, hanadinoana lasa.

Aro…! Singa mihazon’aina, mandrava teti-dratsy.
Tanjaka sy hery, afo tsy mety maty.
Manazava saina, ka mampitroatra fo.
Ny tody dia tsy misy, fa ny atao no mahavoa.

Nantenaina…! Voa iray nitsimoka, tanivon’ny nofy.
Ilay ainga mampitraka, sy ahafahana mitosy.
Azo iankinana, saingy mbola tsy ary.
Mandrapahatonga azy dia, miaritra ny jaly.

Bakoly…! Mety hoe mora simba, na mora vaky koa.
Mety ho sarisary fa, tsy tena voka-po.
Saingy ny aza lavina, dia misy faniriana.
Mamatotra ny tena, izay tsy aritra hodifiana.

Lalaina…! Aina iray nirina, nateraka fitia.
Famato-po roa, izay miara-dia.
Nitsiry tao anaty, tsy hisy afaka hanafoana.
Indrisy ny eto an-tany fa, voaozona hisy hisaona.

Avotra…! Fahafahana tsy takatra, tsy tsapa raha tsy tonga.
Hery anaty tsy hay fiaviana, fa nandrodana ny fonja.
Namaha ireo fatorana, tsy taza-maso akory.
Namoha ‘lay eritreritra, ‘zay diso resi-tory.
RRAG
30 Aprily 2018
--------
Rohy:
378 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024