MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAROA) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAROA)
Tsiry…! Fototra mamatotra, ny faka hitàna.
Fatoran’aina mihazona, ny mba ho tamana.
Mamoa-binavina, hahafahana mita.
Tombantombam-piainana, manosika ho tafita.

Ando…! Ainga tsy misaraka, amin’ireo vanin’andro.
Fiantombohan’ny dingana, famaritra isan’andro.
Mamelombelon’aina, mikolokolo ‘reo voary.
Ampinga iray ‘zay voatra, notinefen-Janahary.

Vero…! Ilay fandeferana, ivom-pahatsorana.
Tady mihazona, ny ao an-tokonana.
Tosika ifotoran’ny, tena fampandrosoana.
Tsy hoe fahalemena, na koa hakamoana.

Mirana…! Jinery namaritana fanantenana.
Iombonan’ny fo, sy ny saina mitroatra.
Endrika meva, mitondra hafanana.
Olona sariaka, sady mba te hivoatra.

Vola…! Harena takalon’ny harena rehetra,
saingy tsy hahavidy ny aina mihitsy.
Io no fananana tena manam-petra,
tsy mipetraka ela, fa toa mora manify.

Miora…! Antsa misioka, anatin’ny saina.
Fanantenana tsy mety ho voafetra.
Famafa alahelo sy izay rehetra taraina,
mandràtra ny aty, sy minia misetra.

Finoana…! Ilay angaredon’ny fahagagana.
Mihazona fo, tsy hitroatra amin’ny saina.
Manavaka ny hendry, amin’olona adala.
Ilay tena mahatsapa, fa sarobidy ny aina.
RRAG
23 Aprily 2018
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.079