MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHASIVY) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHASIVY)
Tsiory…! Mety misy setrasetra, saingy tohitrao ireny.
Mety misy alahelo, saingy ianao minia tsy miteny.
Mangina dia mibanjin-danitra, manombantombana ny lasa.
Toa tsy sahy misetra anao, irony sedra homban-dràtra.

Miadana…! Fahanginana izany, filaminan-tsy manam-petra.
Hatahoran’ireo mikiry, hamboly indray kisetrasetra.
Fahavalon’ny korontana, novolen’ny mpankahala.
Zary namanao azy izy ireny, koa iza moa no hahalala?

Tsiaro…! Tamberimberin’ny lasa, sarotsarotra hadinoina.
Ny hamoy azy toa tsy zaka, izy ho foana tsy hay hinoana.
Misy mamy sy mangidy, saingy tosiky ny fiainana.
Ny soa toa tsy ary ho safidy, raha tsy nisy fitaraina.

Nandrianina…! ‘Lay napetraka ho avo, nokendrena hatramin’ny ela.
Saingy mety singa ho nandavo, nahatonga anao nianjera.
Na izany anefa aloha ry saina, tsy nahakivy velively.
Fa vao mainka koa aza, herim-batana izy ireny.

Mbola…! Famaritan-java-maro, tsy afa-perana rahoviana.
Ohatrohatra toa hoe: “Mbola hoavy ilay tiana”.
Mety tsy hisy izany anefa, fa nofinofim-pahanginana.
Raha ary kosa anefa ireny dia, mety hampinan’ny tsy fihinana.

Koloina…! Ilay nokaliana ho tsara rafitra, aingam-po manan-tantara.
Tsara tefy sy maharitra, voatram-panahy voahary tsara.
Tahiry mampatsiaro toky, dina vitam-binavina.
Indrisy anefa fa mety ho nofy, toy ny tsy handaozan’olon-tiana.

Idealy…! Lafatra hono tsy mampino, nofy angaha no miseho.
Aiza misy tonga lafatra, raha mbola tany koa no eo?
Ny lanitra aza miovaova, tsy mahatana endri-tokana.
Mainka moa izao sy ianao, izay tsy manam-po mangoraka!
RRAG
03 Mey 2018
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098