MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHATELO) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHATELO)
Anjara…! Ianao ilay mamaritra, ny tsy takatry ny saina.
Mitondra taratr’andro, manazava ilay maraina.
Ivom-panantenana, voasoritra, foiny mbola tsy ary.
Ianao‘lay fanomezana, izay tolo-janahary.

Rova…! Akany fitombenan’ny fo resin’ny fitia.
Akany alavirin’ny fihatsarambelatsihy.
Efitra mandrakotra, tadidy tsy hay vonoina.
Kianja nampitony, ny ràtra nentim-boina.

Lafatra…! ‘Lay sarotra takarina, nefa tsy manan’elatra.
Tokana namboarina, saingy toa mivelatra,
farany tsy taka-maso, toy ny singa tsy hay tadiavina.
Manify dia manify, toy irony marina.

Felana…! Vony famantarana, ny fifaliana am-po.
Zary fandaharan’ny fo iray te ho roa.
Manambatra ny vina, ho toky sy ho velirano.
Ho toro lalam-piviliana, raha sendra izay angano.

Ravaka…! Tefy volamena, na diamondra miavaka.
Mamiratra ohatr’izany, singa iray mampiavaka.
Saingy maivan-danja, raha tsy eo‘lay fahendrena.
Alavon’ny avonavona, sy ny fitiavan-tena.

Soa…! Anarana matetika, hanarabiana ny hafa.
Saingy harena tokana, tsy ringan’andro lasa.
Mitoetra foana, na sarotra tadiavina.
Kinanjo rehefa tonga dia, toa tsy hay holavina.

Lahatra…! Soratra voafaritra, tsisy afaka ny hovaina.
Ny foto-nipoirany dia, toa mankarary saina.
Toa hoe iray jinery, amin’ny tendry sy ny anjara.
Sady toa tsy afaka hamerana, ny fototry ny tantara.
RRAG
25 Aprily 2018
--------
Rohy:
321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229