MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHENINA) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHENINA)
Faniry…! Miantsampy any ho any, ny topimaso tia.
Mijery sy mibanjina, maniry hiara-dia.
Tsiriritram-po, mievotra tsy tana.
Ny tsiky, ny endrikao tomaratra dia, zary mahatamana.

Vonjy…! Nofin’ny samy velona, arahana talaho.
Atao anaty vavaka hoe: “Zanahary ô! Aiza ianao?
Vonjeo ny taninay, fa mila tsy ho tafita.
Raha sitrakao ry Ray, ataovy toy ny any ampita”.

Taratra…! Fanilo mpanazava, ny haizina mpandrava.
Volana baliaka, mpitondra ny mazava.
Isam-panantenana, handresena ny alahelo.
Izay mbola misetrasetra, minia mihelohelo.

Antsa…! Kalo avy any am-po, antsain’ny fanahy.
Famafa ràtra koa, mbamin’ny ahiahy.
Tsanta novolen’ny ivom-panantenana.
Saronan-tononkalo sy hira, mitondra hafanana.

Ravo…! Mari-pandresena, tinaratra eny an-tava.
Mari-pihobiana, aloakan’ny vava.
Mametraka ny tena, an-kianjam-pifaliana.
Ka hahavita ny kinasa, tanaty vivavina.

Oly…! ‘Lay nahosotra ho hery, zary fahasahiana.
Hahafahana mijoro, handresy fijaliana.
Fatoram-belirano, sy toky avy ao am-po.
Sady nitondra mamy no, nanolo-java-tsoa.

Feno…! Entina mamàtra, zava-maro loko.
Manambatra ny miparitaka, fa tsy manatsitokotoko.
Manampina ny banga, manentsina ny loaka.
Mihazom-pifaliana, tsy mamela azy hiboraka.
RRAG
25 Aprily 2018
--------
Rohy:
349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225