MITENENA IZAY SAHY MATY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITENENA IZAY SAHY MATY…!
Izany hono e! Izany hono izay sahy.
Tsy ialahy vao zaza vao, no hoe manana fanahy.
Mitenena eo ialahy, dia hahita tsy fahita,
ka hilaza izao sy izao, fa ialahy ny hoe mahavita!

Sokafy kely ity vava, raha te ho tapaka ny lela.
Izahay aloha izao, no mpitondra firenena,
ka raha mbola te hiaina, akombony malaky.
Raha tsy izany tapa-tenda, tapa-tenda dia ho faty!

Mitenena izay sahy, sokafy kely hoe ny vava.
Ahitsio ny fombanay, dia mamorona tabataba.
Fa hoavy tsy ho ela, tsy hahasokatra io ialahy,
dia hanao veloma aina, izay hisaraka am-panahy.

Manandrama kely fotsiny, fa efa maro izay no lavo.
Niseho nahay no izahay, dia mba hananika ny avo.
Nazeranay avy eny ambony, ny elany aza tsy nahatàna,
ka ialahy mba mitenena, raha tena tsy tamana.

Mitenena eo ialahy, raha sahy maty am-pasan-drazana.
Manandrama miloa-peo, fa veloma ireto havana.
Dia mbola mety ho any an-tatatra, no handrian’ialahy.
Ka eo vao hoe hanangatrangatra, fa tsy tafandry ny fanahy.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209