MITIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA…
Sarotra ry aiko, ‘zany hoe mitia.
Nefa toa tsy haiko, fa hafa ny fitia,
raha toa vakian’ny fo, babon’ny fitiavana.
Iray isika roa, ny fitia aza miavaka.

Tsy mora ihany koa, ny miaina am-pandeferana.
Ny mitàna fo, amin’izay fihetsika, mety ho hanenenana.
Nefa rehefa tia, dia tsisy zava-tsarotra.
Ny adiady kely, zary lasa aritra.

Mafy koa izany, mitaintain-dava,
fa sao dia niova fo, ny olona nofinidy.
Ka ny alina avy, no efa toa ho lava,
raha tsy ny fo roa, no miara-misafidy.

Tsy fantatra ihany koa, ny tena tia ny tena,
raha tsy efa ao anatiny.
Nefa ny ati-fo, matahotra ny hianjera,
amin’ny raha tsy tantiny.
RRAG
Alakamisy 26 Septambra 2013
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208