MITIA OLO-MANAN-TOMPO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA OLO-MANAN-TOMPO...!
Misamboaravoara eny anivon'ny eritreritro,
irony tsikinao nambabo, ny foko sendra tia,
manalokaloka ahy, eny hatrany anatin'ny efitro,
ilay isika indray andro, sendra mba tafara-dia.

Dia nitia anao mangina, nitepo ho anao mangina,
ny aty foko manontolo, ka voafatotra fitia,
toa satriko, ny hiantso anao hoe tiana,
nefa ho hafeniko izany, satria fitia sendra nania!

Marary izany babonao, indrindra moa raha mifanojo,
ny jerintsika ilay mitopy, mifampitazantazana eny,
nahoana aho no nitia anao, ianao ilay fatoran-drojo,
namatotra ny foko, sy ny saiko teny ho eny!
RRAG
07 Aogositra 2018
--------
Rohy:
832 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839