MIZARAZARA TSIKY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIZARAZARA TSIKY!
Maraina vao no atrehina, antenain-kanova
ny haizina ho hazavana, sy hamafa ny alahelo.
Ho zary tambitamby, ny setra izay nandroba,
‘lay endri-pifaliana, ‘zay ela tsy nihelo!

Tinakon-draho-matevina, ny taratra fanilon’
ilay mpizarazara vetso, fampitoniam-pery.
Ka indro Reny miavaka, no hery sady ilo,
nitsabo ny ràtra, ‘lay tsisy mba mpijery!

Reny tsy niambohoka, fa noterem-pitiavana
hizarazara tsiky, ho an’ny fo ‘zay ory!
Dia zaza resim-piainana, no indro nozanahana,
ho isan-tsombin’ny aina, ka hizaka indray ny zony.

Kamboty sy mahantra, tsy nanana ‘zay havana,
fa dia nirenireny, nameno sisin-dalana!
Izay tsy nanantena, hahita fahasambarana,
hoe hanan-tokantrano, tomefim-pihavanana!

Ka indro notolorany, fitiavana sy akany,
itoerany sy iainany, ho tinarafin’ny masoandro!
Reny hafakely, afaka niahy, namafa ny tomany,
no tara-tsiky vaon’ity misandratr’andro!

Reny tsy niteraka, saingy Reny miavaka
amin’ny Reny maro, ka tokana aman-tany.
Ilay nampitafy lamba, sy tsy nanavakavaka,
fa zanany avokoa, ireo manam-po mijaly!

Hafa loatra ianao, mahay mitia, mizara
fitiavana toy izao, namaritra tantara!
Tianay loatra ianao, ‘lay soritry ny anjara,
ka mendrika dia mendrika, hantsoinay: “Malala”.

Reninay malala, mizarazara tsiky,
manolotra ny tsy hita, ‘zay tsy efa ho lanjaina.
Nanaiky koa nandray, ‘ty zaza nitampify
tan-dalam-pahaverezan’ny sedra sy taraina.
RRAG
30 Mey 2020
--------
Rohy:
317 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645