MODY HOE… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MODY HOE…
Mianoka a(min’ny)-nofy ny fanantenana,
mifaly miravo amin’ny ora mamiratra!
Saingy tojo olana saro-bahana,
ka ‘zato andro avy no tsapa mihisatra!

Mavesatra mafy ny tsela-piainana!
Minitra tsy ampoizina dia rakotra haizina!
Ilay fahasambarana lasa fanaintainana,
toy ny am-bohitry tanànan’Ankaizina!

Sinangy izany, fa Ankaizina aiza,
no misy fitiavana rendriky ny ady?
Ary mbola hotohofany vesatra hatraiza,
ity fo trotraka sy mafy ady?

Mody hoe sambatra imasom-pialona.
Fa ny anaty tsy mety mitony mihitsy!
Mikiky ny lasa dia injao tsy mivalona,
mamery ny fo, ary tsy mba mitsitsy.

Mody ihany koa hoe, efa nanadino,
azy ‘lay namelaka tsy mba nampoizina!
Kanefa ny fo, izao, mbola tsy mino,
fa izy ‘lay notiavina no zary poizina,
namafa nikiky ny fanantenana!
Raho-nandrakotra ity hazavana!

Mody hoe tsy mijery ny sary niarahana,
fa ny alina tsy handry, tsy mahita ireny!
Mody manaiky fa koa fandaharana,
ka rehefa imasony, mangin-tsy miteny!
Any ivoho tsy hita, mandatsa-tomany,
mbola tsy mino ny fahabangany!
RRAG
27 Jolay 2021
--------
Rohy:
304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021