MPAMOSAVY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPAMOSAVY…
Miahy mihitatra ny ferin’ny foko,
mahita ny Gasy mitsitokotoko.
Miady, mifamono, mifampidaroka fanoto,
ny mpianakavy, mpiara-belona, mpiray foko!

Manao mpamosavy malemy ny sasany,
ka ny olon-tiany no norarafany.
Fa mamy ny vola sy ny harena,
dia amosaviany ny mpiray firenena.

Maràtra ny foko ka tsy afa-miaina,
raha nahalala, fa ny nama-mahatoky no tsy azo antenaina.
Fa mamadi-pitokisana sy ‘reo dina natao,
iny izy milaza, fa niova olom-baovao.
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318