MPIANATRA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Arahabaina tratry ny asaramanitra e! Tratry ny taom-baovao Malagasy avokoa isika Malagasy tsy misy hanavahana!"

MPIANATRA...!
Vao miandoha ny taom-pianarana, kamokamo ny atin-tsaina.
Ny fisoratana anarana, manorisory mampalaina.
Dia vao tonga an-dakilasy, manoaka sy mitabataba.
Ny te hianatra no mihafy, sendra adala be kotaba.

Ny fakan-drivotray, sigarakely, tenin-dratsy.
Nefa ny tena tsy mahay, tsy mahagaga ny naoty ratsy.
Fa ny tena tiako indrindra, ilay maneno lakilosy.
Dia mibitaka famindra, faly, fa hiara-kody hifampitosy.

Ka rehefa an-dalana eny, mitabataba ohatr'izany.
Sendra misy mba miteny, dia ompaina, roràna tany.
Ny arabe dia feno anay, mimenomenona ireo mpamily.
Voadona mihitsy indraindray, nefa mbola tsy mivily.

Rehefa tsy afa-panadinana, vao nahatsapa tena.
Voadona teny am-pisidinana, dia mibaby faharesena.
Dia manenina amin'ny vita, mitomany saingy tara.
Sendra namana tafita, vao mahatsapa fa tsy tsara.

Ny mpianatra mazàna, mieritreritra tanora.
Miaina anaty hadalana, saingy tsy hainy io fa fonja.
Tsy manenina amin'ny ditra, raha tsy sendra hoe voadona.
Ny hadalana tsy ho ritra, ny revirevy koa tsy foana.
RRAG
27 Martsa 2017
--------
Rohy:
297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201