MPIFANILA VODIRINDRINA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIFANILA VODIRINDRINA!
Nidoboka mafy tsy niato fidona ny foko mitepo!
Injany ny anaty fa misefo mora sy toa velon-tsento!
Zana-javatra angaha no misintom-pitia ity volan-tany?
Potika aminao tsy mihatsaravelatsihy izany foko izany!

Revo tokoa vao nahitan'ny bika miary 'reo toetra!
Mpifanila vodirindrina tokoa moa isika ka tsy ho voafetra,
ny fotoana hihaonana hizaranan'ny mamy, mangidy rehetra!
Ka hifamafa tomany, an-tsedra misetra!

Kanto ny endrikao aman-toetra, ka lanin'ny foko!
Fitia tsy ankosotra, ka ho menarana misoko,
handrava ny efa, no tolotro ho anao ry rovam-pitiavana!
Fitia tsy voakosoka, no famatotra miazona ilay fihavanana!
RRAG
17 Jolay 2021
--------
Rohy:
292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101