NA DIA…! (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA…! (SAFIDY: 2012)
Tsy misoritra amin’ny teny,
na mifamatotra amin’ny soratra,
ireo lasa, misitery,
ràtra entim-po mangoraka!
Tsy voafaritra nialoha,
na voafatran’ireo toky,
ny tena alalin’ny fo,
‘lay voavetso anaty boky!

Na dia izany kosa aza,
misy fetra toy ny aina,
toy ny sento efa ho lava,
toy ny fakan’ny taraina,
ny tahiry mitoetra,
mampanembona ny vita.
Ilay tanaty setrasetra,
sy ny finga-mbola tsy hita!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy:
359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213