NA DIA TSY HO IZAO… (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA TSY HO IZAO…
Niondrika aho nijery, ny tany nihovitrovitra.
Navelany irery, hisedra ady mafy!
Nitraka aho nitazana, ny vatako nangovitra.
Nahita fo naràtra, namery hatrany anaty!

Nosavaiko moramora, ny paosi-pataloako.
Nalaiko ilay mosoara, famafa ranomaso!
Nanatona aho avy eo, nanolotra ny tanako.
Mangina hoy aho, ‘ty! Fafao ny ranomaso!

Noraisinao ilay mosoara, nofihiniko tan-tanako.
Nofihininao mafy, tamin’ny tananao!
Nanadina ahy ianao hoe: “Iza moa no anarako?”
Hay moa anefa, toa efa fantatrao!

Nangina ianao, tsy nitomany intsony !
Nangina ianao, ny fonao toa tony !
Tsy nandatsaka akory, ventin-dranomaso,
satria tsinapanao, fa miahy manatsatso,
ny tsiron’ny fitia, miafina ao am-poko,
ny tomaninao, ry ilay tsy foiko!

Na dia vao hitako aza ianao, dia tiako avy hatrany!
Na dia mbola tsy nambarako, dia tsapanao izany!
Ka niondrika aho, tsy sahy nijery anao.
Saingy ny feonao milanto, narahanao talaho,
no indray nampitraka, ahy tsy hitanondrika!
Aza manahy ianao, fa mbola ho tafasondrotra,
hiala anaty lavaka, fitobim-pitiavanao!
Tsy maintsy izany, na dia tsy ho izao!
RRAG
01 Janoary 2013
--------
Rohy:
353 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209