NA DIA…AZA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA…AZA…!
Na dia naditra aza aho,
tsy nilaozanao,
tsy navelanao irery.
Fa ianao mbola nijery!

Na dia solafaka aza aho,
toa nareninao,
notananao ny tanako.
Ka ianao no tena namako!

Na dia nianjera aza aho,
teo ianao,
nihazona ny tenako.
Ianao ry Neny no fonenako!

Ka hiverina aho anio,
hanalavitra tadio,
hanaraka ny lalanao.
Eny ry Neny, izao dieny izao!

Ka ny lasa hovonoiko,
raha mety mihitsy, tsy hotsaroako,
fa hanova lalana aho, ho anao.
Efa niova, ‘ty zanakao!

Efa afaka ny takonana,
teo imasoko ry Neny.
Ho anao sy ny ankohonana,
no hanovako izato jery.
Na dia ho mafy aza ny eny,
eny, ho anao ry Neny!
RRAG
Mey 2013
--------
Rohy:
368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017