NA HENDRY NA ADALA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA HENDRY NA ADALA…
Ny hendry tsy manaonao foana,
fa mieritreritra hatrany.
Mieritreritra ny tsara,
dia mandinika izany.

Ny adala tsy misaina,
tsy mba mihevitra ny atao,
na mibanjin’ireo lasa,
izay nitondra azy tao.

Na izany aza, aza hadinoina,
fa olombelona avokoa.
Na ny hendry na ny adala,
eny! F’ireo nandika lalàna.

Omeo ny zon’izy ireny,
fa ilainy mantsy izany.
Omeo azy na hoe tsy hainy,
mba hiarovana ny ainy.
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
309 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213