NA MATORY AZA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA MATORY AZA…!
Raha mbola misy sora-tanako, ka miresaka fitia,
dia mbola misy fo mitepo, sy olon-droa miara-dia,
mifampizara hafaliana, mifanohan-tsy ho lavo.
Ka miaraka mamindra, miara-manandratra ny avo!

Raha mbola misy iray tsy may, tamin’ireny diam-peniko,
dia hisy fo hamaky hatrany, irony aingan’ny tsipeliko.
Hifampitantana eny foana, irony tia sy ny tiana.
Ary hitovy nofinofy, ka hiray hatrany vinavina!

Na matory aza aho, ka lavon-dahatra sy tendry,
dia hisy foana any ho any, olon-kafa sy olon-kendry,
hanoratsoratra toy ny ahy, ka hitsabo fo voadona.
Tsy ho foana akory ireny, f’izaho dia manana finoana!

Na matory aza aho, ka rotidrotika ny nofoko,
dia hisy hafa tsy fantatrao, hanohy irony nofinofiko!
Dia hitohy ny diam-peniko, amin’ny anaran’olon-kafa.
Fa ny ahy ilay taloha, tsy maninona raha voafafa!

Raha mbola misy iray mahatsapa, fa mahita fifaliana,
amin’irony soratsoratra, sarotsarotra vakiana.
Dia tsy misy hatahorako, na matory aza aho!
Satria fantatro dia fantatro, fa hisy hatrany ainga vao;

Handrafidrafitra litera, ho fehezanteny tsotra!
Saingy ireny tefy ireny, no ampingan’ireo osa!
Hitrakany sy hitolomany, tsy hilavo setrasetra,
ka na hatory aza aho, ny vao hitsiry tsy ho voafetra!
RRAG
12 Jona 2018
--------
Rohy:
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208