NAHOANA KAY? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA KAY?
Nahoana kay ianao no nandao,
tsy mba nampilaza, hatramin’izao?
Nefa ny foko, mbola tia anao,
ka aiza ry tiako no misy anao?

Ny aliko iny, toa ranomaso,
mandena ny ondako, toy ny ora-nafafy.
Ny maraina aho, toa bongo maso,
malahelo anao, ka tady hitapy.

Nahoana kay no dia lasa ianao,
nefa ny foko, toa mbola tsy lao?
Sa kosa lahy, efa kivy ianao,
maika ny handrava, fa leo ny lalao?
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1074