NAHOANA KOSA...? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia mitantara fiainana rangahy nanabe sy nampita ny zanany tamin'ny fianarany! Eny tany ampitan-dranomasina mihitsy aza! Saingy rehefa tafaverina ireto zanany telo mianadahy dia samy nanana ny fiainany avy! Narary ingahy rainy nefa tsy nisy niraharaha azy izy ireo fa samy nilaza hosahirana avokoa! Lany hatramin'ny fara-pananany nitsaboany tena! Niezaka nitady vonjy tamin'ireo zanany izy saingy mbola natositosik'ireo ihany! Ny farany dia ny sisin'arabe sy ny lalana no zary akaniny! Omentsika lohateny hoe:

NAHOANA KOSA...?
Fa dia nahoana kosa, no dia mafy toy izao,
'ty kapoka miavosa, izay nazeranao?
Inona no ratsy, nataoko tamin'ny zanako,
no dia ady mafy, no navelandreo an-tanako?

Niezaka aho ry Ray, toa mba nahatafita ihany.
Nefa toa tsy hay, fa sedra toy izao, no valin'izany.
Tsy nisy mba niangarako, fa toa nitovy ihany.
Saingy raha ny anjarako, ve dia ho tomany?

Ny aiko tsy ahoako, na dia ho lasa razana.
Fa ny fon'ny zanako, nahoana no zary ngazana?
Zary vato mifono hoditra, nefa fery an'aiko.
Ny tenako avy no mihovitra, asa, tahotra? Tsy haiko!

Nahoana kosa re ry lanitra, no dia ny sombin'ny aiko.
Nefa izaho efa mahantra, ka 'reny sisa no nolalaiko?
Tsy mampaninona ahy akory, ny hofafana tsy eto an-tany.
Fa 'reo zanako resi-tory, eo ry Ray fohazy ihany!

Dia hilamina ny saiko, dia handry koa izato foko.
Fa ireo sombin'ny aiko, izay tsy afaka hosoloiko,
dia niverina eto an-tratrako, niverin-dalana izy Ray.
Saingy mbola tsy ho fantatro, eny, mety ho mandrakizay!
RRAG
03 Mey 2017
--------
Rohy:
402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203