NAMANA AHO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA AHO!
Meva!

“Andry, fa mbola inona indray, no tadiavinao?
Fa angaha tsy ampy anao, izao fijaliako izao,
‘zay noho ianao ihany?”

Meva, ialako tsiny re, raha toa ka ny hadalako,
no nandrava ireny, fihavanantsika.
Ialako tsiny koa, raha toa ka noho izaho,
no nahatonga anao, hiaina ity hatsiaka.

--Mifamihina ny tia a! Toa tsy menatra olona,
nefa vao tsy ela teo, no nimonomonona.
Meva, menarana toa mpamadika, mivadibadi-po,
satana toa mandrangitra, ninia namaky loha!--

“Mahefa, tsia! Tsy toy ny heverinao,
fa diovy ny saina, ry ilay tokan’ny aiko.
Fifamelàna fotsiny, ilay tinazanao,
fa aza dia terena, tsy hitovy amin’ny saiko”.

--Tsy maninona e! Aleo aho handeha,
satria efa tokana, dia tsy mendrika ny ho tiana.
Aleo aho hangina, fa tsy hirehareha!
Aleo hokoboniko, izay ho fijaliana,
hoterena hoentiko, ka veloma ianao!--

“Mahefa!”

Mahefa, namana aho no milaza,
fa tsy fahadisoan’i Meva, ny zavatra niseho.
Fa noho ny tsy fiheverako, no nahatonga izao!
Aza tezitra aminy, fa tolory fo mazava,
ny akaniny, ‘lay mbola miandry anao.
RRAG
Jona 2012
--------
Rohy:
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1149