NAMAN’NY VADIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAN’NY VADIKO…
Anjely tokoa rehefa tazanina,
manjelatra ery ny haingo an-tava.
Ny fo sy ny saiko aza, izany toa manina,
dia manofinofy anao lava!

Sariaka ianao ka dia zary miangola,
toa hoe manambara fitia ao anaty.
Indraindray miangoty miary dola.
Marina mafy ity raha ho tanty!

Injay ity tsiky e! Milaza fitia,
mandona ny anaty, sy mambabo fo.
Maneho ve izany hoe: “’Ndeha hiara-dia”?
Manosika saina ny hiara-droa!

Aoka kely aloha! ‘Ty fakam-panahy,
mandavon’ny saiko an-dava-malama.
Ilay namanao ihany, no sila-panahy,
ny foko koa moa, tsy mety mizara!

Naman’ny vadiko ianao tadidio,
tsy tokony hamadika ny fahatokisany.
Ka ankehitriny ve hinday tadio,
hitsapa ny hatanjaky ny fahamafisany?

Ialako tsiny izay fihetsika diso,
nanaitra ny masonao hitia ahy.
Aleo re ny anio, tsy hitamberina ampitso,
fa tsy ho tohitro intsony ny fakam-panahy.
RRAG
15 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217