You are here: home > Vetso

NAMBININA… - RRAG

Azo vakiana?

NAMBININA…
‘Lay rojo teny an-tenda, haingom-batanao,
no nitondra vintana, sy fahagagana toy izao.
Nambininy ianao, ny mba hahita soa!
Olon-tia moa anao, ‘lay sady mora fo.

Nambinina ianao, fa nifanena taminy.
Ianao mihitsy, no namafa ity tomaniny,
foiny izy ilay nisento, nilaozan’olon-tiana.
Ianao mihitsy, no nanàla, ny sentom-panahiana,
nitoetra taminy, nanakana azy hiroso.
Ianao irery, no nitantana azy handroso!

Nambinina ianao, fa sendra vady tsara.
Manaja olon-tiana, manaja ity anjara!
Manam-pandeferana, milefitra amin’ny maro.
Tsy tia mitokantokana, mahay ny mifangaro!
RRAG
12 Febroary 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha