NAMETRAKA DIA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMETRAKA DIA...
Nahay niangola an-teny, nambabo fo nitia!
Dia teny rehetra teny, no nanorina fitia!
Nikiky ny hamamin'ny fitiavana dia niala!
Nametraka dia.... Hitady koa hanala a?

Milangolango fatratra amin'ny teniteny mamy!
Tsy nety ny ho sasatra amin'ny fanantena angano!
Midoka tena mafy tsy manana sahala!
Kanefa anie e! Nametraka dia niala!

Mideradera mafy tsy manana mpifehy!
Mandripandripaka atsy, sy aroa, dia mirehareha!
Toy ny amboa miria, tsy voahidy am-bala!
Dada hono nefa, nametraka dia niala!

Eh! Mitomany ho antsoina Dada...
Kanefa ianao tsy hainy fony vao nibada!
Tafita ianao vao tsapany, ka mbola heveriny ho zaza!
Nefa izy ilay fahiny! Nametraka, dia tareny ianao ny hiala!
RRAG
20 Jona 2021
(Avaradoha, Antananarivo, 08 ora maraina tsy diso)

"Ho an-dRafieritreretana".
--------
Rohy:
255 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164