NANGALA-PIHINANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANGALA-PIHINANA…
Tsy teo Madama dia nitsaingoka,
nakanaka tany ivelany.
Avy hatrany dia nipaingotra,
tsy nihevitra ny tenany!
Ity Rangahy efa aman-jafy,
ka zary nody tsy nitafy.

Nifandrohitan’iry kala,
fa tsy nahefa vola hono.
Nangala-pihinan-tsisy drala,
ka rehefa nody maty vono!
Tsy nahaloa volan’olona,
ka saika matim-pokonolona!

Loza ity fa niboridana,
na takon-kenatra aza tsisy.
Lasa nandositra niridana,
ny nahita aloha mba vitsy,
dia mba sarontsarona ihany,
ity loza tsy aman-tany!

Nangala-pihinana dia voa,
voadona mafin’ny hadalany.
Nitady namana faharoa,
ka nofatoran’ny hafokany.
Niantsampy tamin’irony foza,
marina raha tsy nidiran-doza!

Tsy teo Rafotsy dia nitsaingoka,
naka tsirony tany an-kafa.
Nanantena lolo sendra maingoka,
tsy nody maina fa nijafa.
Nigogogogon-dranomaso,
dia hoe ny fiainana no mpiankaso!

Kanefa ianao no tsy nanaja,
ity vady efa sahaza!
Ianao koa no tsy nahatanty,
‘ty fakam-panahy niantsampy.
RRAG
16 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204