NANORATRA HO ANAO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANORATRA HO ANAO...
Notinezeranao, ny tenako ry tiana,
fa hoe: “Izaho hono, aty dia toa variana,
ka nanadino anao, sy ny amintsika”.
Nefa anie malala, mba niezaka aho nampita;

Hafatra an-taratasy, natokako ho anao!
Hafa-manamafy, ny fitia anatiko ao.
Saingy niandry valiny, toa tsy nisy mihitsy.
Ianao nibedy ahy anefa, toa tsy mba nitsitsy;

Nanao teny mafy, nandràtra ny atim-poko!
Nefa tsapanao fa, ianao dia tsy foiko.
Tena marina e! Nanoratra aho ho anao.
Saingy indrisy akia malala a! 'Zay valin-teninao;

Tsy mba voarain'ny tanako, na tinazako akory!
Dia izaho indray no, lazainao hoe resi-tory.
Variana any an-kafa, dia nanadino anao.
Malala a! Toa zary mankaleo, ny tsy fahatokisanao!
RRAG
Martsa 2018
--------
Rohy:
319 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203