NANTENAINA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANTENAINA…!
Moa tsaroanao ‘lay fihetsika zary sary,
niezaka nanafatra tan-tsarisarin-teny?
Eh! Nofy! Toa toy ny vao omaly,
ny rakitra voasoratra tanatin’ity pejy!

Ataovy voaloham-pejy, hoy ‘ty sangisangy!
Saingy zary tenany, ny hevitra natorany.
Aiza ilay isika, izay nifananihany?
Indrisy fa dia, nofy sisa izany!

Eo moa mba tsarovy e! Ilay anaram-bositra!
Toa tsiaro sisa ireny e? Tsiahy ny fahiny!
Saingy kosa tsiaro, tadidy tsy nandositra,
tena tompon-trano, fa tsy mba mpivahiny!

Nantenaina mafy, ianao ny mba hiangoty,
hitady rotsirotsy, handrava ity fahanginana.
Kinanjo nofy ihany, fa tsy ho isan-tahirim-boky,
satria tokoa, nofy lavo, teny am-pisidinana!

Taona fohy dia fohy dia, ianao nikopak’elatra,
nandao ilay tanàna, natao fihaonantsika!
Dia nitoetra ho nofy, k’injay ny fo nitselatra,
tsy nety nino mihitsy hoe, hifandao isika!

Dia mbola nantenaina, ny hiverenanao,
handrafitra tantara, tsy ho hay hadinoina.
Ka hanoritra indray, pejy iray vaovao,
misy diam-penina, sarotra vonoina!

Teny ho eny izao, nisy koa, hafa nanantena,
ankoatra ity mpisento, mpametsovetso lava,
ny hiverenanao, ‘lay ivom-pandresena,
hany nantenaina, hanangana ‘zay rava!

Nantenaina ianao e! Ary mbola hantenaina,
ho taratra hazavana vao, ka ny aloka hisava!
Nantenaina ianao ho’aho! Ilay foto-nampiaina!
Fifaliana! Hafaliana! Izay tamana teny an-tava!
RRAG
04 Janoary 2020
--------
Rohy:
524 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217