NAOLANAO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAOLANAO…!
Noriatinao ny akanjony, natosikao izy iny,
hianjera am-parafara, ‘zay farafaram-badiny.
Nataonao daholo, ny fomba tsy fanao,
amin’ny mahaolona, k’izay! Ny mahabiby anao!

Naolanao ny tenany, noràtrainao ny vatany voakolo.
Nopotehinao ny hasin’ny fiainany, sy ny ainy manontolo.
Nokasihanao ny mahaolona azy, dia nohitsahinao.
Izany ve tsy midika hoe, tena biby ianao?

Notefahinao ny takolany, ‘zay kotsan-dranomaso.
Feno dian-drangotra ny tavany, teo anoloan’ny ankaso.
Izay nentinao, namingana ny lalany, ka notafiany ny henatra.
Nefa ianao, ianao no biby, tsy mahalala menatra!

Noriatinao ny akanjony, ilay hany teny an-kodiny,
nanarona ny vatany, ambony sy ambany!
Noterenao ny tenany, hanao ny tsy fanao,
miaraka aminao! K’izay no porofo, fa tena biby ianao!
RRAG
12 Martsa 2013
--------
Rohy:
376 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971