NEFA HATRAIZA? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NEFA HATRAIZA?
Tsy hoe jamba izy akory,
na koa resi-tory!
Tsy moana velively,
ka tsy afaka hiteny!
Fa mangina tsotra izao,
miandry andro voatokana.

Misy vidiny mantsy,
misy lanjany koa,
irony fahanginany,
‘zay tsy voka-po.

Nefa hatraiza ny hasahiany,
hangina tsy hiteny,
manoloana ny habibiana,
miary fampijaliana?

Hatraiza ny dingana,
handeferany ny fingana,
ataon’ny mpisetra,
amin’ny endriny rehetra?

Tsy hoe jamba izy akory,
fa efa leo ‘lay sorisory,
namatotra ny fahafahany,
tanaty teny, izay nambarany!

Tsy hoe mbola resi-tory,
ka sonenika amin’ny nofy,
izay hotovozan’ny ampitso,
mba hahafahany mitory.
Ka maneho ankalalahana,
dia ‘lay fahanginany hifarana!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204