NENINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENINA…
Ho an’iza anefa irony nenina,
raha sanatria tsy maintsy harodana,
‘ty fanjakana bodongerona,
manampatra ny tsy fahalovana?

Ho an’iza irony nenina,
raha tsy ho an’ny fo nitolona,
tan-tsipika sy lapely,
nentin-Gasy nimonomonona?

Ho an’iza koa ny hadisoana,
tsy nahafahana nandrava,
tanaty nofim-pandrosoana,
ny fahoriana efa ho lava?

Aleo ho ahy sy holanjaiko,
fa safidim-panenenako!
Na dia hiankina amin’ny aiko,
ka mety ho fasana hilevenako.

Aleo ny zogako hiantsorohako,
na dia mavesatra tsy zaka.
Aleo ny fonjako no hialofako,
na dia ho fatotry ny lasa!

Ho an’iza anefa irony nenina,
raha misy dingana tsy vita?
Tsy ho an’ireo mipenimpenina a?
‘Zay miady seza efa tsy ho hita!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
497 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09