NENY Ô! ANIO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY Ô! ANIO…
Neny anio tsaroako, irony anatrao, nodiako tsy nohenoina.
Ankehitriny ireny, nitondra ity fahazarana, nitondra hakamoana,
nitondra fahalemena, nilanjana fanenenana.
Noheverina ho lasa, tsara fandevenana,
saingy indrisy anefa, fa ratsiratsy tototra,
ka tsy afaka nitsiry, na dia tsara fototra!

Neny ô! Anio irony ditra, vao fato-panenenako,
tetezana efa boboka, tsy azoko hiampitàna!
Anio ihany koa, vao reko ny hirifiry, nentin’ny tsy fitandremako,
kinanjo tara loatra, sady efa ringitra, no tsy afaka hitàna!

Ka ny antso any ambony, moa tsy latsa tena ah?
Esoeso entiko, hanarabiana ahy!
Ny figogogogoko, porofom-paharesena,
‘zay nampilavo lefona, hatramin’ny fanahy.

Neny anio tadidiko, irony teninao, nanamafisako ny sofiko.
Ankehitriny ireny, famatotry ny ditrako, nitondra ny farofiko,
satria narefo aho, nalemy fa be vava.
Tsy nahay nangina, fa dia nitabataba,
nanaraby foana, nanao tsinotsinona, ireny teninao!
Neny ô! Neniko ireny, neniko amin’izao!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
357 1
Mpakafy: ANARIM
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021