NENY! TIAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY! TIAKO…
Ry Neny!
Feno loatra re ry Neny,
ny fitiavanao ahy.
Ka izay!
No nahatonga ahy hiteny,
hoe:
“Raha eo ianao dia sambatra aho”.

Ry Neny!
Tsy hiahotra aho ny hilaza,
ka hanakombona ny vava.
Tsy haneho aminao,
hoe:
“Tiako loatra raha ianao”.

Ry Neny!
Tanisaiko eto anio,
manoloana ny lanitra.
Fa ny ato am-po dia madio,
na dia kamboty sy mahantra.
Dia tsy manadino anao,
tsy mahafafa ilay anarana.
Tsy vita izany hatramin’izao,
izay angaha ny fandaharana!

Ry Neny!
Tiako averimberina eto!
Tiako atao anaty vetso!
Raha azo atao asiako sento,
ny hilaza aminao!
Hoe:
“Tiako ianao”!
Eny, tena tiako raha ianao…
RRAG
23 Desambra 2012
--------
Rohy:
488 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883