NIANDRY IZY... DIA VELOMA IANAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIANDRY IZY... DIA VELOMA IANAO...!
Fo ny azy fa tsy vato, mety ho sendra fahasorenana.
Niaritra izy fa tsy tanty, ianao mihevitra azy hoe: “Vendrana!”
Saingy izy tena tia, dia nandefi-tsy niteny,
fa leo ihany ny niafarany, ianao aza tsy nijery.

Dia niandry izy fiovàna, ianao nefa ity niziriziry.
Tiany ianao, saingy angamba, ny fony feno hirifiry,
ka naleony niala, raha izay no mety hahasambatra anao.
Tara loatra angamba e! Fa izy efa lasana nandao!
Dia veloma ianao!
RRAG
06 Mey 2017
--------
Rohy:
271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164