NIBABY IRERY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIBABY IRERY…!
Tsy misy teny, mahafehy ny fitiavako.
Tsy misy ry Neny, mahasakana ‘ty vavako!
Ka aleo aho hiteny, haneho vetsom-po,
ho anao nibaby irery, nizara ny soa!

Tsy misy tantara, mitovy ny anao.
Tsy misy sahala, ka tahaka izao!
Fa fitiavana tokana, ny fitiavan’i Neny,
raha izaho manokana, tsy hahavita toy ireny!

Nibaby ianao, nanao an-tsiangory.
I Dada nandao, nefa izaho tsy mba ory!
Fa teo i Neny, nameno izay banga.
Ny fitiavan’i Neny, no narangaranga!

Narary aho ry Neny, voan’ny tazo.
Naràtra aho ireny, ianao no nitsabo!
Tsy nandry ianao alina, mbola nifoha maraina.
Fitia tena lalina, ka tsy nampitaraina!

Fola-damosina, ianao ry Neny.
Fola-damosina, nefa tsy niteny!
Tsy niamboho adidy, dia nandao anay,
fa nisafidy, no ho teo mandrakizay!

Hafa ianao, nibaby nitrotro.
Hafa ianao, ‘lay Reny niampofo.
Tokana ny tara-pitiavanao ry Neny.
Tena hafa ianao, hafa ianao ‘lay Reny!
RRAG
Jona 2013
--------
Rohy:
295 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0579