NIEZA-NAMPITONY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIEZA-NAMPITONY...
Raha zavom-be matevina, tsy sindan'itsy tsiky,
dia mbola alahelo, tsiahy tsy nety dify.
Kanefa tiana ihany, ny hamafa irony lasa,
sinaingy tsy voakosoka, fa niahy nihombo ho ràtra!

'Ty ranomaso latsaka vontosan'alahelo,
misy embom-pahatsiarovana mainka mihelohelo,
tsy tiana hotazanina, fa hokoseha-maina.
Satria dia fery anaty minia maningotr'aina.

Nieza-nampitony ny sento sy ny setrany,
'ty fo adaladala tsy mahay 'zay fetrany.
Dia mampitamberina ny lasa ninday fery,
ka latsa-dranomaso sy gina tsy nahateny.

Dia lavo ianao ry aina a! Nosetrain'ny fiainana,
ka sento sy tomany, no hikam-pitarainana,
ho ako ampitaina, ho ren'ny vazan-tany,
mandria am-piadanana, fa i Neny hitomany,

hisaona anao farany, anaty ranomaso.
Ka hitsiaro irony mamy, na 'rony mpiankaso,
nandavo anao 'lay sombiny, 'zay aina avy amin'ny aina.
Mbola hihaona isika, izay 'lay antenaina.
RRAG
06 Septambra 2020
--------
Rohy:
383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166