NIKITIKA NY FAKANY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIKITIKA NY FAKANY...
Sary tontan'ny ela, nisy tsiaro, no navela ho tahiry.
Fitia maina faka, efa lavo, no indro indray naniry!
Rendrika ny sambo, fotoana fohy, rava ny tantara...
Ilay mpanenjika antsika, no tena, mahay azy tsara!

Hainy hatramin'ny miafina, hitany ny tsy hita!
Izy ilay mpahalala, mpahay ny mombantsika!
Vata fandraisam-peo, an-tanana, mpizara vaovao...
Ka fantany tsisy miangana, ny amiko sy ianao!

Saingy tsy voafehiny, ny hiakam-pifaliany,
dia niranty teny, ny aingam-paniriany!
Ilay hambabo anao, amin'ny fitiavany!
Fa ny tsy nampoiziny, dia, voakitika ny fakany!

Nikitika ny fakany, ny fony ilay niangola.
Niverina nitsiry, ilay fitia, ninia novonoina!
Nihiratra ny masony, nihetsika ny loha...
Injay! Nidoboka, nisento indray ny fo!
RRAG
14 Mey 2021
--------
Rohy:
189 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0626