NILAOZANAO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NILAOZANAO...
Hitsara azy indray 'zao ianao,
ka hanameloka ny fony voaratra.
Dia hilaza fa tsy fanao,
ny voadona amin'ny sedra mahazatra!

Ny fony 'lay voarasarasa,
no mandretoka raiki-tomany!
Fa niveri-nipody ny lasa,
nahatonga azy ho lasa vinany!

Misento no hany azo atao,
rehefa mamery ny ratra...
Indrisy fa izy sy ianao,
tsy afaka hiombona kasa!

Maloka ny sori-tavany,
'ngoly ny aty fanahy...
Tsy mahasokatra intsony ny vavany,
raha nilaozanao sila-panahy!
RRAG
12 Aprily 2021
--------
Rohy:
249 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219