NINDAOSIN'NY FAHAFATESANA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NINDAOSIN'NY FAHAFATESANA...!
Omaly hariva no nikotroka, nitselatselatra tsy niato,
zary lasa nody vovoka, tsy nitepo toy ny maty,
ny atim-poko ilay nitia, izay nilaozanao tsy niera.
Ka indro maty ilay fitia, sendra varatra nianjera!

Fery maimbo efa nikiky, no navelanao tam-poko,
namaizininao ‘lay tsiky, ka nivadika ho toloko,
nisintona ny sento sisa, nanamafy ny fitiavana.
Ràtra efa tsy ho voatanisa, no navelanao Rahavana!

Dia nindaosin'ny fahafatesana, ny fo nitia ka maizim-bolana,
ràtra noheverina hiserana, saingy fery tsy nanolatra,
fa nikiky moramora, ny aim-pitia sisa tavela.
Vao nigadona 'lay ora, tsy nitepo izy ka nianjera!

Ranomaso tara loatra, no fanafody fitsaboana.
Aretina efa tafahoatra, efa tsy sitran'ny finoana!
Ka nindaosin'ny fahafatesana, ilay fitiavana hatrizay.
Antso tsy hisy hifandrenesana, fa raha tsy ady ampy izay!
RRAG
30 Nôvambra 2017
--------
Rohy:
591 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219