NINIANA NAHINTSANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NINIANA NAHINTSANA…
Somary miahotra ny vava hanambara,
ity fitia niahy nahazo laka.
Matahotra anao sao dia hitsara,
matahotra ihany koa izay ho latsalatsa.

Dia niniana nakombona mba tsy hiloaka,
haneho ivelany ny atin’ny fo.
Satry dia satry aza ny hitsoaka,
nefa etsy andaniny mba te hiara-droa.

Ka inona izany no azo atao?
Raha mbola miziriziry ny saina hanohitra.
Ka tsy hamela ny fo hitia anao,
f’izay hono mantsy no lalam-boasoritra!

Moa ve ny fanahy koa mba afaka ny hiady?
Hitakin’ny zon’ity fo tsy be teny.
Sa koa aza izy mihitsy no ho zary tady?
Mety hanasaraka ho lazaina fa tendry.

Indrisy ry fo fa niniana nahintsana,
navela ho maina ny ravim-pitia.
Tia ianao natao tsy nisy dikany,
ka aiza amin’ireny ny fahafaha-mitia?

Niniana nahintsana ka tsy nomena hasina,
nihitsakitsahina ny fanantenana.
Ny fo tokoa ve dia tsy manan-kasina,
ka fakofakoina noho ny fahajambana?
RRAG
22 Janoary 2018
--------
Rohy:
282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226