NIOVA PEJY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIOVA PEJY…!
Lalina dia lalina, tsy takatra isainana,
ny firedaredan’ny fony tena tia.
Ny tontolo androny, zary fitarainana,
naniry dia naniry, ny mba ho tafara-dia.

Kinanjo setrasetran’ny olo-mpankahala,
no ninia namingana, ka nitondra ‘ty tomany,
dia ny fony tia no, lazaina adaladala.
Indro tsy namelana, eny! Raha tsy nijaly.

Leo ny hirifirin’ny mitia fa toa tsy tiana.
Leo ny fitapitaka nataonao ‘lay olon-tiana.
Leo ny tebiteby, raha sendra ka tsy mihaona,
ny aty fony ka, naleony indray nisaona.

Naleony nofafana, tan’efitry ny eritreriny,
mba hampitonitony, ny hirifirim-periny,
‘lay tsikinao nambabo, narahan’ireo angola,
ka niova pejy izy, fa efa tonga ny ora.

Efa hatreo ny fetra, nanindrianao ny fony.
Ampy azy izay rehetra, nandrava ny fitiavany,
ka rariny dia rariny, raha ny fony tsy any intsony.
Dia ‘zay fifonanao dia, zary foto-pandavany.

Niova pejy izy, tsy hoe tsy tia akory,
diso tia loatra, ka manahy ny hijaly.
Satriny tokoa, fony fony resi-tory,
raha mety dia, toy ilay notairinao omaly!
RRAG
07 Mey 2018
--------
Rohy:
446 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213