NISAKA LAVA-POZA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISAKA LAVA-POZA…
Atao nitady nahita kanefa,
marary ihany kay ‘lay voaketoka!
Sendra fitia tsy nahay niantefa,
tsy afa-niaina fa avy dia sempotra.

Voatsindrona mafy moa ny aty fanahy,
ka niniana ihany koa tsy ho voa fanindroa!
Hitia izany hiahotra, hankahala tsy sahy,
tsy mbola ho voadona ihany ve ny fo?

Mandoro loatra ny fitia ao anaty,
afo mireda tsy mety vonoina.
Na efa aràtraina aza mbola tsy maty,
fa mainka aza izy mitombo finoana.

Voa in-droa tahaka ny voalavo,
fa tsy sasatra izany ny miarina lava.
Sady voa tokoa moa izany no lavo,
saingy izany akory tsy mbola nandrava.

Ny hoe nandrava fitia ela fitoetra,
fa niahy nanamafy ny fanantenana.
Asa aloha hoe aiza no fetra,
fa amin’ny fo dia ity no Kanàna!

Dia nihodina ny ora dia tan-dava-poza,
no nisaka fitia ‘ty fo fandeferana.
Voakaikitra indray fa ny mbola loza,
fa hay moa ity lalana efa iverenana!
RRAG
19 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
362 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021