NISY FAHAGAGANA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY FAHAGAGANA…!
Leo ny mitanisa, ny lasa sy ny etsetrany, ny aiko rako-pery.
Leo ny mamisavisa, ny hoavy sy ny fetrany, rakofa-misitery.
Leo ny mitaraina, saingy tsy hohenoina, ny vavako miteny.
Leo ny hirifirin-tsaina, terena hovonoina, ‘ty foko manirery.

Tena leo mitia, kanefa tsy tiana, ny atin’ny fanahiko.
Tsy te hiara-dia, anaty vinavina, ny tena fa tsy sahiko.
Nisy fahagagana, namboly faniriana, indrisy fa tsy tana.
Fa saron-kajambana, miary fijaliana, ka dia tsy tamana.

Leo ny monomonona, ninday ràtram-po, ny saiko fa efa kivy.
Tsy te hiara-honona, ny fitiavan’olon-droa, ‘zay diso marikivy.
Fa miandry fahagagana, tsy takatry ny saina, hamafa irony lasa.
Saingy hadalana, no indro indray niaina, nanitatra ny ràtra.

Dia nisy fahagagana, nitondra tara-bao, nitsilo ny aty fo.
Nisy hafanana, namihina ahy sy ianao, ka indrao nitondra soa.
Fa dia tsy naharitra, tsy tamana akory, fa vetivety dia tsy hita.
Kinanjo indray nangarika, nitari-tsorisory, namarana ny antsika.
Eh! Dia teo dia samy vita!
RRAG
23 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281