NISY TSIKY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY TSIKY…
Nisy tsikitsikinao, tsy nomenao olon-kafa,
ankoatra ahy ‘lay notiavina, sy hotiavinao irery,
nisy ranomasonao, mbola rakotry ny lasa,
nahatonga anao indraindray, tsy niloaka hiteny.

Fa teny ho eny foana ireny, nanalokaloka ny tava,
teny ho eny foana ireny, toy ny efa silakao,
ka na ny tara-nentiko aza, toa mbola tsy afa-nampisava,
ity haizi-mitatao, eo amin’ilay tsikinao.

Nisy tsikinao nalefaka, narahan-tavanao sariaka,
asa aiza ireny izao, fa toa dify ka tsy hita?
Toa tsy tazana intsony, ‘ry hazavan’ny fo baliaka,
ka ny tsikinao ‘lay tiako, toa tsy mety mba tafita.

Maizina tanteraka, toy ny ankasomparan’ny hafa,
fa mitamberina mikiky, ny hirifirin’itsy ràtra,
dia ny tsikinao no lasa, tsy tamana teto intsony,
zary tsy nanalokaloka, ‘ty tsikinao ‘lay mpampitony,

Lasa nivahiny efitra, tontolo hafa indray angamba!
Mety nieza-nampitsiky, irony fo hafa efa jamba!
Ka tsy afaka niantrano, tao aminao hatramin’ny ela,
minoa ahy anefa ianao, fa hiverin’izy, efa tsy ho ela!
RRAG
23 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
697 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026