NISY... RAHA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY... RAHA...!
Nisy fery maimbo, izay nankaleo ny fo,
teny an-kianja, fiarahan'olon-droa.
Ka nahakivy anao, nahatonga anao tsy hitia,
fa hoy ianao mantsy hoe: “Fihatsarambelatsihy”.

Fitaka sy habobo, ny toky sy ny dina,
hadino anefa ireny, raha misy mahavariana.
Na mety koa hiniana, hitsahan-tsy misy antra.
Dia ny mizaka izany, ny fo ilay mahantra!

Raha azoko atao, ny mamerina ny lasa.
Dia nisy namafako, irony izay nandràtra,
ny fonao k'injay nahatonga, anao tsy te hitia.
Fa hoy ianao mantsy hoe: “Mamery ny fitia”.

Nisy pitik'afo, ninia nikiry, nandoro ny atinao.
Injay toa tsy mety tony, eny hatramin'izao!
Nentin'olon-tiana, ilay niara-nandrafi-toky.
Nefa ireny dina dia, zary isan-tahirim-boky.

Mipetraka an-tsalazana, tsy misy mba mpijery!
Tsy misy mba mpamaky, nefa tsy ary hiteny,
hitaky sy hangataka, ny zo namoronana azy.
Hanery ny hampiharana, irony vita voady!

Raha azo niverenana, ny lasa nisy azy iny,
dia nankany mihitsy aho, ka nofoanako izy.
Ary izaho indray no napetrako, teo anilanao,
dia ho hinoako fa nitia ianao, eny hatramin'izao!
RRAG
13 Martsa 2018
--------
Rohy:
209 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207