NOELY FAHATSIAROVANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY FAHATSIAROVANA...
Mangetaheta aho, manina iry lasa.
Teny ry tiako, no nahavitana kasa,
hoe hifanambady, ary tsy hifandao.
Ankehitriny anefa, aiza no misy anao?

Tsaroako isika roa, nijery kilalao,
tao amin'ny vaditranon'ny fiangonanao.
Teny isika roa, no nifampizara.
Ianao ry tiako, no noheveriko ho anjara!

Nanofinofy anao aho, ry ilay malala.
Ny alin'ny Noely, indray taona toy izao.
Hitako ianao, nefa tsy te halala!
Dia 'zay tokoa ve, ny voady niaraha-nanao?

Noely fahatsiarovana, ny fisarahantsika.
Noely fandalovan'ny fiarahantsika.
Noelim-pifaliana, saingy nisy ranomaso.
Teo ry tiako, no tonga ny ankaso!

Noely toy izao, no nanjavona 'lay kintana.
Malala a! Izao ve no vintana,
ianao tsy ho ahy, ny lahatra tsy namako?
Ianao safidiko aza, toa efa tsy an-tanako.
RRAG
22 Desambra 2017
--------
Rohy:
558 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0803